Vaovao tambatra

Lasibatry ny zava-misy maneran-tany i Madagasikara, antony nampiova indray ny vidin-dasantsy rehefa tsy nihetsika nandritra ny efa-bolana. Manahy sahady ny mety ho fiantraikan’izany eto Madagasikara ny mpanjifa sy ny mpampiasa fiara. Tafiditra anatin’ny vanim-potoana fidiran’ny mpianatra sy ny fitomboan’ny fitohanana lavareny ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay hiantraika mivantana amin’ny toekarem-pirenena.

Hampandroso ny fampiharana ireo torolalana momba ny jono madinika, maharitra mba hiarovana sy hanatsarana ny fiveloman’ireo mpanjono, hanamafy ny anjara toeran’ny jono amin’ny fiarovana ara-tsakafo maneran-tany. Ireo ny tanjona nandritra ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny jono madinika, andiany fahatelo. Hetsika natao tany Rome, Italia, ny 4-6 septambra teo. Nasongadin’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, nandritra izany, ny ezaka sy ny dingana ataon’i Madagasikara ho fampandrosoana ny sehatra.

Mananosarotra ny fitantanana ho an’ny tokantrano mampiditra mpianatra. Voatery hividianana kojakojam-pianarana avokoa ny tahiry na koa ny karama azon’izy ireo. Manampy trotraka ny fiakaran’ny entana eny an-tsena sy ny zava-misy amin’izao fotoana.

Partager sur: