Vehivavy maty teny Tanjombato: voasambotra ilay lehilahy nanendaka azy

Miatrika fanadihadiana eny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy ny olona roa, lehilahy sy vehivavy. Tompon’antoka tamin’ny asa fanendahana sy harom-paosy teny Andohavato Tanjombato izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, fantatra fa tompon’antoka tamin’ny fanendahana ilay tovovavy hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa, teny amin’ny tetezam-bato, Tanjombato, tamin’ny 28 aogositra lasa teo, ilay lehilahy. Efa maro rahateo ireo olona nilaza sy nanamarina fa io lehilahy io no nanendaka ilay vehivavy latsaka tao anaty ranon’i Tanjombato. Niaiky izany rahateo ny tenany rehefa nohadihadian’ny polisy misahana ny raharaha. Raha ny fanazavana voaray, nendahiny ilay tovovavy tamin’io fotoana io, niezaka nandositra ilay lasibatra ary tafintohina ka latsaka avy hatrany tao anatin’ny ranon’Ikopa Tanjombato. Natao ny fikarohana azy ary ny maraina vao hita tao anaty rano ny vatana mangatsiakany.
Malaza amin’ny fanaovana harom-paosy amin’ireo mpiantsena eny an-toerana ilay lehilahy, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mponina eny an-toerana. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanipazana sy fanafenana ireo entana nangalarina nandritra izany ilay vehivavy niaraka taminy. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny fanadihadiana ataon’ny polisy.

Mino

Partager sur: