Madagascar Mozarteum: hanatanteraka seho lehibe ny SMMA

Tafiditra ao anatin’ny fampahafantarana sy fampitiavana ny mozika klasika iantsorohan’ny Madagascar Mozarteum, hanatanteraka seho lehibe ny Sehatra mpiangaly mozika ao amin’ny Anglikana (SMMA) ny 20 septambra, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, eny amin’ny Katedraly Santa Laurent Ambohimanoro. Seho lehibe, satria, nofantenan-dry zareo manokana ny sanganasan’ireo andrarezin’ny mozika klasika maneran-tany. Anisan’izany ny an’i J. Haydn, Handel, Vivaldi, sy ny sanganasan’i Ndratoson Georges, sns.
Fantatra fa anisan’ny sehatra namolavola sy nitsimohan’ ny talenta maro eo amin’ny tontolon’ny hira sy ny mozika (mpihira, mpitendry zavamaneno…) ny Sehatra mpiangaly mozika ao amin’ny Anglikana. Ivondronan’ireo mpampianatra mozika sangany rahateo ny SMMA. Mifanojo amin’ny tanjona tratrarin’ny Madagascar Mozarteum amin’ny fampivelarana ny tontolon’ny mozika klasika io fampitam-pahalalana io. Afaka mifampizara traikefa ny rehetra.
Anisan’ny mahasarika ny Malagasy ny mozika klasika. Manomboka mitodi-doha any ihany koa ny tanora.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: