Mandeha ny mandeha. Mitohy ny lalana ho an’ny filohan’ny Fanavaozana. Efa any Paris indray ny delegasionina tarihiny. Hamonjy any amin’ny Vondrona eoropeanina ihany koa ny tenany. Toy ny mahazatra, tsy maintsy misy ny resabe politika. Indrindra vao mivoaka ny fofompofona frantsay. Vely latabatra hoe, fandrahonana sy fibedesana hoe! Ohatran’ireny biby fampitahorana tanteraka ireny ry vazaha mena sofina. Manao izay danin’ny kibony ny mpanenjika an-dRakolonely.
Mifanindran-dalana amin’izay anefa, mandeha tsimoramora eny ny fankatoavana ilay fitondrana. Ekena fa mbola mipetraka ny sazy avy amin’ny Vondrona afrikanina, saingy na ireto farany aza miaiky fa mizotra tsikelikely amin’ny fanatanterahana ny teny nataony ny fitondram-panjakana, tetezamita. Mahavelombolo ny mpanara-maso ilay finiavana sy fanarahana tsikelikely ny tondrozotra izay avy amin’ny Malagasy ihany.
Nampiova ny zava-drehetra sy ny toe-draharaha politika eto Madagasikara rahateo ilay fanatanterahana ny dinika politika, teny an-dapa. Tafiditra amin’ny toky natao tany amin’ny Sadc tamin’ny faran’ny volana aogositra. Ireto farany izay mijery sy manombana ny zavatra hitan’ny masony. Tsy mionona amin’ny tatitra fa tonga mamangy matetitetika aty Madagasikara. Asa, tsara karakara ka tamana? Tsy afa-miala rahateo amin’ny maha akaiky vilany feno arina azy.
Raha ho an’ny vahoaka dia tsotra, tsy misy afa-tsy ny fivoahana amin’ny tetezamita. Samy manaiky ny rehetra fa tsy misy akory ny fahagagana fa mametraka fanantenana fotsiny amin’ny olom-boafidy. Hafa ihany ilay mpitondra matoky tena miorina ambony tontolo demokratika anaty Lalàmpanorenana. Zava-dehibe ilay fitoniana sy fiarahamonina lavitry ny krizy.
Andrasana ny voandalana hoentin’ny filoha avy any Eoropa.
r.r




