Anatin’ny fiatrehana ny taom-pianarana tanteraka ny ankizy amin’izao fotoana izao. Manomboka ny fifohazana maraina sy ny rotoroto isan-kariva maka mpianatra. Ny renim-pianakaviana no tena mizaka ny mafimafy, indrindra ny mbola manenjika birao na fitadiavam-bola hafa. Tsy afa-miala rahateo fa ny reny dia reny eny foana. Tsy mahazo mitarain-tana-miempaka na inona na inona vesatry ny ady amin’ny fiainana.
Tsy ny reny irery akory no homen-danja fa manana ny anjara andraikiny lehibe koa ny raim-pianakaviana. Tsy resa-bola na ny adidy ihany, fa anisan’ny tena ilana azy ny fitaizana sy ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora. Tena ilaina ny fametrahana fifehezana hentitra ao
an-tokantrano. Mila apetraka ny fitsipi-pitondran-tena matotra, hisorohana ny danin’ny kibony ataon’ny mpiala sakana sy ny zaza mitombo.
Iaraha-miaina ny zava-misy eto amin’ny firenena. Tsy asian-teny ny loza mitatao amin’ny fiarahamonina, indrindra ny zaza sy ny tanora. Sanatrian’ny vava izay hamendrofendro na hampihorohoro, fa Ramalina aza, hono, nifehy hazo tokana. Mora ny manome tsiny noho ny mandray andraikitra ka taitairina isika ray aman-dreny sy raiamandreny. Rehefa maditra ny ankizy, na sanatria sendra ny patsa iray tsy homby vava, dia mailaka ny fialana ilany.
Moramora ny miampanga ny hafa, manilika ny rihitra any amin’izay tsy tomponandraikitra rehefa misy ny raha tsy manjarizary. Ny ankizy no mahazo loza, ampangaina ho maditra. Ny olon-dehibe anefa matetika tsy mahasahana ny manandrify azy. Zary indroa mahita ny maizina toy ny tain’omby nasesika an-davaka ireo kilonga. Ao
an-trano tsy mahazo ny anjara tsara, eny ivelany mbola lasibatry ny tontakely. Mampisaina ny fizotry ny toe-draharaha.
r.r




