Vehivavy roa samy namoy ny ainy vokatry ny herisetra nahazo azy. Renim-pianakaviana iray vao 20 taona monja tsy tana ny ainy, tao amin’ny fokontany Soamiarana, kaominina Arivonimamo, ny alin’ny talata 8 septambra teo, tamin’ny 8 ora. Nahitana dian’antsy maromaro tamin’ny vatan’ity vehivavy ity, tamin’ny fotoana namonjen’ny fianakaviany azy tao amin’ny trano fonenany. Tsy olon-kafa, voasambotra ny vadin’ity vehivavy ity taorian’ny habibiana nataony. Nitarika habibiana ny hasarotam-piaro avy amin’ilay lehilahy. Efa nisy tsy fifankahazoana teo amin’izy mivady ny volana janoary lasa teo, araka ny fanazavan’ny fianakavian’ny maty. Nikasi-tanana am-badiny ilay lehilahy tamin’io fotoana io. Nifandamina izy mivady ka nifamerina. Niafara tamin’ny vono olona ny fiarahana. Nosamborin’ny polisy ary natao fanadihadiana ny nahavanon-doza.
Voasambotra omaly, teny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy tao Tanambao V, kaominina Toamasina, ihany koa ny lehilahy iray voarohirohy ho namono nahafaty am-badiny. Nikasa hiondrana eto an-dRenivohitra izy, araka ny loharanom-baovao. « Matetika misy olana izy mivady. Darohany ilay vehivavy indraindray », hoy ny fanazavan’i Jacqueline, fianakavian’ ity namoy ny ainy tao amin’ny fokontany Morarano 21/11 ity. Nampandroam-badiny tamin’ny rano mangatsiaka, nampidiriny tao an-trano ilay vehivavy. « Norakofan’ny vadiny lamba izy ary navelany tao am-pandriana », hoy ny loharanom-baovao. Tsy tana intsony anefa ny ain’ity farany. Nandositra rangahy vadiny ka nokarohina. Niafara tamin’ny fisamborana azy, omaly maraina izany. Misahana ny fanadihadiana momba ireo tranga roa samy hafa ireo ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.




