Nandositra nikasa hiampita ny ranon’Ikopa, voasambotry ny fokonolona ka natolotra ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray mpangalatra moto teny Anosipatrana, omaly maraina. Moto an’olon-tsotra napetraka teo amin’ny toerana voatokana sady andoavam-bola ity nokasain’ny olon-dratsy hangalarina ity. Tsy nampoiziny, niverina tampoka ny tompon’ny moto. Nahita ny fihetsik’ity olon-dratsy ity izy. Nandositra anefa ilay mpangalatra ka nifanenjehana. Nifarimbona ireo mponina teo amin’ny manodidina hisambotra azy. Nitsoraka avy hatrany tao amin’ny reniranon’Ikopa ilay mpangalatra. Tsy namelan’ny fokonolona, nandrasan’izy ireo kendry tohina ity olon-dratsy ity. Voasakan’ny vatan-dehilahy teny am-pitan’ny renirano. Raikitra ny tora-bato. Nikasa hanao tari-dositra hitady lalan-kafa io mpangalatra io, saingy tratra izy ary nodarohan’ny fokonolona. Natolotra ny mpitandro filaminana taorian’izay. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Tsiahivina fa olona iray nangalatra aroloha fampiasa rehefa mitondra moto voasambotry ny mpiambina tetsy Analakely, ny talata 8 septambra teo. Mila mailo ireo mpampiasa moto manoloana ny hafitsok’ireo olon-dratsy, na heverina ho amin’ny toerana azo antoka aza.
Tsiferana R.




