Fifaninanana afrikanina: ny CFFA hiaro ny isa roa, ny FC Rouge hanala vela

Azo lazaina fa tafita any amin’ny dingana manaraka amin’ny “Ligue des champions Caf” ny ilan-tongotry ny CFFA Andoharanofotsy, raha toa ka mbola sahirana ny FC Rouge atsy amin’ny“Coupe de la confédération Caf”.

“Samy hiezaka!” Ho­ton­tosaina amin’ity faran’ny herinandro ity ny lalao miverina rehetra ho an’ireo solontena malagasy roa miatrika ny “Ligue des champions Caf”, CFFA, sy ny “Coupe de la confédération Caf, FC Rouge. Ho an’ny CFFA, hatao anio, ao Afrika Atsimo, ny lalaon’izy ireo sy ny Lijabatho FC Lesotho. Fifanandrinana tafiditra anatin’ny dingana voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo. Atsy Maurice kosa, rahampitso, ny hanaovana ny fihaonan’ny FC Rouge sy ny Red Arrows FC Zambia, lalao anatin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ireo klioba.
Tsy maintsy hiaro ny isa roa efa azony ny CFFA mandritra io lalao izay hatrehin’izy ireo io. Tsiahivina fa efa resin’ny Malagasy 2 no ho 0, ny Lijabatho FC, nandritra ny fifanandrinana voalohany natao tatsy Maurice, ny sabo­tsy lasa teo. Hiezaka ny ha­nala vela kosa ny FC Rouge, izay lavon’ny Red Arrows FC, 2 no ho 0, tany amin’ny fifandonana mandroso, natao tany Zambia, ny andron’io ihany.
“Tsy mbola vita ny lalao ho anay, hiezaka ny hanome ny zato isan-jato avy aty aminay izahay mba hiakarana amin’
ny dingana manaraka. Tsy miova ny tanjona dia ny hikatsaka ny tapakilan’ny dingana faharoa amin’ity amboara afrikanina ho an’ny klioba ity”, hoy ny filohan’ny FC Rouge, Rakotondramiara Hasina.
Manentana ny Malagasy rehetra atsy Afrika Atsimo na ao Maurice ny klioba roa tonta mba hanohana ireto klioba roa ireto.

Fitia Randria

Partager sur: