Tselatra

Lehilahy telo mpivarotra rongony voasambotry ny polisy tao Miakadaza, kaominina Imerintsiatosika, afakomaly. Nosavaina, nahatrarana fonosana rongony efa voatsinjara teny amin’izy telo lahy. Nogiazana ireo zava-mahadomelina ary natolotra ny fampanoavana izy ireo.

Mpanendaka miisa efatra saron’ny polisy tao amin’ny fokontany Tsararano, kaominina Mahajanga, afakomaly. Ikoizana amin’ny asa ratsy amin’ny fokontany manodidina izy efa-dahy ireo. Notanana natao famotorana ary naiditra vonjimaika any am-ponja.

Zaza roa lahy nohidin’ny ramatoa iray tao an-tranony satria nolazainy ho nangalatra finday tetsy Analamahitsy, boriborintany fahadimy, afakomaly. Nitaraina ny ray aman-drenin’ireo zaza ireo ary nilaza fa tsy mpangalatra ny zanany. Nitangorona nanoloana ny trano nisy ilay ramatoa nihazona ireo zaza ny fokonolona.

Telo lahy namaky trano tao amin’ny fokontany Ampanalana, kaominina Toamasina, omaly maraina. Tsy nisy namoaka feo ny alika mpiambina ny tanàna. Miantso ny tomponandraikitra hanamafy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana ny mponina.

Partager sur: