Valala an-karona indray !

Mahavariana ny mpanao politika, tsy miova mihitsy ny fomba fanao. Ny nataon’ireo rehetra nifandimby ihany no miverina. Tsy mahagaga anefa izany satria ny mpitarika sy ny mpitondra no miova. Ny mpiantsehatra ve? Mpanao politika mahay mihofo sy manaraka ny volontany. Tsy misy resaka etika sy fahatokanam-po eo. Tena henjana amin’ny fanovana lokona kravaty sy palitao. Ny volomboasary izao lasa maitsomaitso indray.
Tsy mahagaga! Nanaitra, omaly, ny fahitana ireo milaza fa tena tompon’ny tolona niara-nirona namoaka fanambarana. Mety nisy baiko nidina hanatsatsoana ny fikambanana sy vovonana miforona vetivety eto an-tanàna. Ny indrokely, ireo milaza fa nitolona koa anefa nijapy tolon’ny Gen Z. Tsy niandry baolina nitontona fa nahay nitsoraka am-panidinana ka nandrombaka izany. Toa samy gisalahy homan-ketsa na ny mpanontsana na ny hontsanina.
Ny zava-misy marina anefa, manana ny fijeriny manokana hitondra azy amin’ny fahamarinan-toerany ny Filoha. Iza no afaka hanohana azy amin’izany fa tsy ny Malagasy vonona ny hitondra ny anjara birikiny. Tsy misy olona ka mifanolo-tanana no hifanome vato mafana, kanefa iray ihany ny tanjona. Matetika dia ny mpanao fiaron’amboalahy antitra ihany no be vava. Tsy mahavita miaro 100 % kanefa manilika toa ranon’Ikopa.
Fotoana tena ilana ny fahaizan-dRamiaramila manavaka ny mpiray andiany tena izy sy ny baikoin’ny tombontsoany manokana izao. Tsy ampy ny filazana fa namany aho, na havako ianao. Mitaky asa mivaingana izany. Herintaona izay no lasa, ny sasany aza variana amin’ny fitadiavan-tseza. Ny hafa efa voky an-tendakely, mifikitra fotsiny fa tsy hita izay asa mivaingana ho an’ny mpiray tanindrazana. Faly fotsiny manao valala an-karona, samy misalobon-komana.

r.r

Partager sur: