Mihamazava aloha ny lalan-kizorana, ankehitriny. Mipoipoitra eny ny famantarana fa samy manomana fifidianana. Tsy misy resaka fanavaozana fa ny fikojakojana ny kianja ilalaovana aloha no manahirana ny rehetra. Ny niofo efa mampiseho mibaribary fa akama amin’ny drafitra rehetra. Ny vaovao manao valala an-karona samy te ho akaiky vilany feno arina. Angaha hita fa entanim-pitiavana avokoa ny olon-drehetra manohana ny miaramila hitazona fitondrana.
Raha ny zava-misy aloha dia tsy maintsy hisy ilay fifidianana. Izay ho karazany izao no andrasana mialoha. Fitsapankevi-bahoaka ve sa fifidianam-paritra, mety hiainga avy eny ifotony sy avy aty amin’ny foibe mihitsy aza? Samy miandry am-pitoniana aloha ny olon-drehetra satria mbola amin’ny fikarakarana ny fitsipi-dalao sy ny kianja hiakarana ny tomponandraikitra rehetra. Tsy kilalaon-jaza rahateo ny fiampitana amin’ny Repoblika vaovao izany.
Na izany aza! Somary manahirana ny fizotry ny raharaha politika amin’izao fotoana izao. Tena feno fitaka sy lainga, ankasomparana sy fingampingana. Raha tsy mahay misangodingodim-panina aloha dia very. Maty ho azy amin’ny hafitsoky ny efa matihanina amin’ny politika politisianina. Mila mahay milalao olona sy mamiravira ny fanahiny mihitsy. Tsy natao ho an’ny be indrafo sy manam-pitiavana madio. Mila mahay misekoseko na amin-draha tsy hay aza.
Hatreto, manjaka ny samy manao izay mety aminy ny sokajy rehetra. Ny bebe baoritra mihevitra fa tompom-pahaizana. Ny vokikovy fahendrena manindrahindra ny manandrify azy. Samy mivoy ny laka-hitany. Tsy ampy ilay fiaraha-mientana fa sasatra ny mitondra fanamarihana ilay Filoha amin’ireto mpanao mpamosavy malemy. Ireo mpanoha randrana sy mpandoto iray tandroka manodidina azy. Tsy mazava ilay zotra politika eto amin’ny tanàna. Mahafanina!
r.r





