Volley-ball – “Mada D2”: fantatra ireo hanao ny famaranana

Tontosa omaly, tetsy amin’ ny Kianja mitafon’Ankoron­drano, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja volley-ball, sokajy D2. Saika voahaja avokoa ny lojika tamin’ity, satria nivoaka ho mpandresy ireo klioba heverina ho sangany amin’izao fotoana. Ho an’ny vehivavy, hifanandrina eo amin’ ny famaranana ny Squad-X sy ny VBCD. Ny Squad-X izay nandavo ny EVBE, tamin’ny seta 3 no ho 0 (27/25 ; 25/13 ; 25/14). Ny VBCD indray nanilika ny AS Voara, seta 3 ihany koa (25/17 ; 25/8 ; 25/10).
Ho an’ny lehilahy, hifampitana ny GNVB (Zandarimaria) sy ny TVBC. Teo amin’ny an­katoky ny famaranana, resin’
ny ekipan’ny zandary tamin’ny seta 3 no ho 0 ny GSVBC (25/15 ; 25/15 ; 25/23). Ny TVBC indray nandavo ny BMVB. Hotanterahina amin’ity sabotsy ity ireo famaranana roa ireo. Marihina fa manana ny lanjany manokana ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity satria hiadiana ny tapakila hiakarana ao amin’ny sokajy D1 amin’ny taom-pilalaovana manaraka.

Tompondaka

Partager sur: