Filatex: nahazo jiro manazava ny Rovan’i Madagasikara

Mandray anjara amin’ny Andraikitry ny orinasa ho an’ny fiarahamonina ny vondrona Filatex. Notokanana ny 11 septambra teo ireo jiro manazava ny tokotanin’ny Rovan’i Madagasikara eny Manjakamiadana, notarihin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), Gascar Fenosoa. Nanatanteraka ny tetikasa ny orinasa Filatex, niaraka tamin’ny minisitera sy ny Antokondraharaha Or­mada. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo fotodrafitrasa ireo, manazava ny tokotany mirefy 8 000 m2. Ahitana jiro manazava miisa 60, maharitra mandritra ny 12 ora. Nosafidiana manokana ny angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro satria mahaleo tena tanteraka, tsy tapaka mihitsy sady maharitra. Tsy miankindoha amin’ny herinaratry ny Jirama ihany koa. Ary indrindra, angovo madio, mikajy ny tontolo iainana.
Ahazoana tombontsoa maro ny fisian’ny jiro manazava eny amin’ny tokotanin’ny Rova izao. Hanatsara endrika ny toerana, hanampy antoka amin’ny fandriampahalemana ka hanampy sady hanamora ny asan’ireo mpiambina, in­drindra amin’ny alina. Ani­san’ny teknisianina malagasy nahatontosana ity tetikasa ity ny manampahaizana mpahay taotrano DPLG (architecte), Rahoeliarivahy Fara H, sady filohan’ny Holafitry ny mpahay taotrano malagasy. Nanom­boka ny septambra 2025 ny asa fametrahana ireo fitaovana sy kojakoja, ary izao notokanana ny zoma lasa teo izao.

Njaka A.

Partager sur: