Haharitra tapa-bolana ny fanamarihana ny Volan’ny sary, amin’ity volana novambra ity, izay efa nanomboka omaly ary hitohy hatramin’ny 14 novambra izao. Eny amin’ny Alliance Française Andavamamba no hanamarihina izany, ka hisy ny fampirantiana sy atrikasa isan-karazany. Mpisehatra sy mpiangaly sary maro no efa nampiseho ny talentany sy hanohy ny fampahafantarana ny sanganasany eny an-toerana. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana. Omaly, efa nisy ny fampirantiana, ka anisan’ny hita eny an-toerana ny sary mahakasika ny 20 taonan’ny fandaharanasa Ceres. Mpisehatra matihanina toa an’i Pierrot Men sy i Guillaume Vincens de Tapol no anisan’ny mampiseho ny sanganasany, amin’ity volan’ny sary ity. Ny fampirantiana ny”Affekt” iangalian-dRandrianjatovo Faly, avy amin’ny “Agence Totek & Module Mode” kosa no ho hita eny amin’ny Alliance Française Andavamamba, manomboka ny 10 hatramin’ny 14 novambra, araka ny fandaharam-potoana. Hisy ihany koa ny atrikasa momba ny fakana sary lamaody, ny 11 hatramin’ny 13 novambra, izay hiarahana amin-dRandriahatrany Faly. Misokatra ho an’ny rehetra, indrindra ny mpankafy ny tontolon’ny sary, ity hetsika ity.
Mi.Raz





