Mitaky firaisan-tsaina 

 

Mba aza voany ihany! Rehefa mihenahena aloha amin’izao dia mahita faisana. Tahaka ny mamofopofona “avereno” indray ilay raharaha manga. Ohatra ny hataon’ny sasany tetezana hiverenan-dalana ilay izy. Aiza koa fitakiana sosialy, mivadika faty olona. Na inona na inona lazaina misavorovoro ny eto an-tanàna. Porofo mivainga ilay mivoaka miditra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ao an-dapa, andaniny. Ilay mifanipaka an-toerana amin’ny samy ” mpanavao” ankilany.
Tsy tokony hisy mandrimandry manana aretina mihitsy amin’izao. Hita miolomay tampoka tao ry ramatoa sy ingahy minisitra isan-karazany. Tena hoe mandrakotra ny Facebook tampoka teo, satria mahoraka izao ny fanovana governemanta. Hisy izany fiaraha-mitantana izany, hono, ka hihena an-toerana toa fen’antitra ao ireto milaza fa mpitolona. Ny miofo sy miova loko tsy maintsy haka ny takalom-patsa vidim-pihinana. Ny mpanohitra rahateo tsy azo ailika fa tsy maintsy homena anjara mofomamy ahazoana ilay tohana avy any ivelany.
Ny zava-dehibe tiana hitondrana ny fifampizarana, anio. Mitaky ezaka lehibe amin’ny mpitondra ny hisian’ny fahamarinan-toerana politikany. Tsy misy mahazo tombony tokoa anie raha hikorontana sy handray fiaingana vaovao lava izao. Tsy misy afaka ny hitari-dalana ho maodely akory raha ny lohany aza no matsatso sy maro sampana. Tsy hita taratra tokoa anie ny asa vitan’ny ankamaroan’ilay minisitera. Lolohavin’ny filohan’ny Fanavaozana avokoa ity karazan-tsiny (sio) sy ny tsiny rehetra ity.
Fehiny, mila mijoro amin’ny maha izy ny mpitondra. Tsy mety ilay mivoaka miditra toa lelon-jaza. Rehefa misy ny didy aman-dalàna tsy maintsy arahina, dia mila ampiharina avy hatrany. Tsy mety ilay hatao tsy hatao. Mbetika raikitra! Mbetika aoka aloha. Raha ny mpanazatra aza misambadidaka, tsy maintsy fanina ny mpilalao. Mila mandamin-draha Rafanjakana. Mila miray saina ny olon-drehetra.

r.r

Partager sur: