Omda : Mpamorona 34 hisitraka fisotroan-dronono

Lanonan’ny mpianakavy no nitranga teny Faravohitra, omaly. Nindrana ny efitrano fanaovam-petin’ny Ekar ny Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona na Omda, nentina nandraisana ireo mpamorona, mpikambana. Nampahafantarina nandritra izany fa misy mpamorona vaovao miisa 34 mianadahy hisitraka ny fisotroan-dronono manomboka izao.
Ireo mpamorona anatin’ny tontolon’ny zavakanto, mpikambana feno eo anivon’ny Omda, nandritra ny 20 taona sady nahaloa ny latsakemboka ara-dalàna, feno 60 taona no ho mihoatra, no hisitraka izany. Fepetra izay voarakitra amin’ny Didim-panjakana vaovao laharana 2025-1507 eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ny faran’ny taona 2025 teo izany.
Nankasitrahana manokana, omaly, ihany koa Ravolo­lo­niaina Mbolonirina Tolotra, mpiasa nahavita be teo anivon’ny Omda, noho izy handeha hisotro ronono. 33 taona niasana tao izy ary vavolombelon’ny asa sy fotoana rehetra nolalovan’ny Omda.

Zo ny Aina

Partager sur: