« Fibata » : Rakikira iarahan’i Tefi sy Bob Tobias

Efa heno siosio teny foana… nohamafisin’i Bob Tobias sy i Tefi ny fidiran’izy ireo anatin’ny tontolon’ny mozika indray, ankoatra ny hatsikana.

«Fibata ». Io no lohatenin’ilay rakikira vao navoakan’i Bob Tobias sy i Tefi. Efa fotoana elaela no nampandrenesan-dry zalahy ireo mpanaraka azy anaty tambajotran-tserasera fa omaly kosa vao nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy izany, tetsy amin’ny Orange Digital Center Soa­rano.
Nialoha izao, efa heno sy nalaza ireo hiran’izy roa lahy, saingy Ernest Kabaosy sy Liva Arimontana no anarana nentiny. Hira 7 no mandrafitra ny « Fibata », izay ahenoana hira miaro hatsikana fa misy tena matotra be ihany koa raha hoe avy amin’ireto mpampiomehy ireto. Mivelatra kokoa ny gadona, ahenoana afrobeat sy shatta, gadona malaza avy any Martinique ary notakarina tamin’ny dancehall avy any Jamaïque. Efa nivoaka amin’ireo sehatra fanjifana mozika an-tambajotra rehetra ity vokatra ity.
Mampiomehy sady mampirona hevitra no nahalalan’ny maro an’i Bob Tobias sy i Tefi. Manana mpanaraka tsy tapaka maherin’ny 1,5 tapitrisa izy ireo, ka tsy sarotra tamin-dry zalahy ilay fitsimbadihana nanao mozika. Voarain’ny olona kokoa aza ilay Ernest Kabaosy sy Liva Arimontana, izay azo antoka fa mbola hiaka-daza atsy ho atsy.
Nanolo-tanana an’i Bob Tobias sy i Tefi, ka nanohana ny fivoahan’ny Fibata, ny Orange Madagascar. « Maha­faly anay ny mandray anjara amin’ity tetikasa mampiaraka ny hatsikana, mozika ary ny teknolojiam-pifandraisana ity. Maneho ny firaisankina ary mitondra fampihavanana amin’ny mpiara-monina. Anatin’ny lalan-tsain’ny Orange izay fampifandraisana bebe kokoa izay, ka nahateraka ny fiaraha-miasa », hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny Orange.

Zo ny Aina

Partager sur: