Tetikasa Volobe: Laharam-pahamehana ny fifana­kalozana amin’ny fiarahamonina

Naharitra telo andro ny dinika voalohany nataon’ny “Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe”(CGGV) tamin’ireo vondrom-piarahamonina ao Fanandrana, Ambodilazana ary Toamasina.

Fifanakalozan-kevitra natao ny 15 ka hatramin’ ny 18 septambra, tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Drafi-pitantanana ny tontolo iainana sy ny lafiny sosialy (PGES) sy ny Drafi­trasa momba ny Famindran-toerana (Par) ho an’ny teti­kasa Volobe Amont. Nivoitra tao anatin’izany ireo singa lehibe mandrafitra ny tetikasa, ny dingana samihafa hatao ary ny fandraisana ny fanontaniana sy ny mety ho ahiahin’ ireo mponina. Voaresaka manokana ny antony mety hisian’ny Famindran-toerana ho an’ireo olona voakasiky ny tetikasa sy ny fanonerana raha misy trangana fandravan-trano, fahaverezan-tany, fananana na asa fivelomana. Nampahatsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny dingan’ny Par ny fampahafantarana, fanombanana, fifampidinihana ary ny fanomanana.

Fifanakalozana

Nampahafantarin’ny CGHV ihany koa ny Rafitra fitantanana fitarainana (MGP) izay fitaovana ahafahan’ireo olona voakasika mametraka fanontaniana, maneho ny ahiahy na mametraka fitarainana momba ny tetikasa sy ny fizotry ny Par. “Tanjona ny hiantohana fa azo raketina sy dinihina ny fitarainana voaray ka hitondram-bahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy”, raha ny fanazavana voaray. Ankilany, mbola hitohy ny di­nika fifanakalozan-kevitry ny CGHV amin’ireo vondrom-piarahamonina ao Fanandrana sy Ambodilazana mifanaraka amin’ny fandrosoan’ny fana­dihadiana sy ny dingan’ny PGES sy ny Par. Ireto farany izay singa manan-danja amin’ ny fitantanana maharitra ny lafiny ara-tontolo iainana sy ny sosialin’ny tetikasa Volobe.

Henintsoa

Partager sur: