Natao omaly, ny fanolorana fitaovam-piasana ho an’ireo mpikambana mikirakira ny volotsangana ao anatin’ny Association fivoarana malagasy (Afima) eny Andavamamba. Hanatsara ny kalitaon’ny vokatra sy ny teknika izany.
Tamin’ny alalan’ny tetikasa International Bamboo and Rattan Organisation (Inbar), niaraka amin’ny Center for Malagasy Bamboo Ressource and Technology (CMBART) no nahafahana nanatanteraka izany. Ahitana milina fanjairana ny fonon-damba atao amin’ny seza, tsofa, milina fandidiana « ronçonneuse», «perceuse», «chalumeau» handorana ny volotsangana, «compresseur» handokoana ny volotsangana, sns izany. Avy any Anjozorobe, Moramanga, Manakara ny volotsangana ampiasain’ny mpanao fanaka Afima eny Andavamamba. Karazana fanaka toy ny seza lehibe (salon), seza fihinanana, latabatra, fandriana, sns, no hataon’izy ireo. Amidy eto an-toerana sy aondrana any ivelany (Seychelles, La Réunion, Eoropa) ny vokatra.
Nambaran-dRazafindrakoto Jean Yves, filohan’ny CMBART, fa fikambanana mpanao asa tanana misehatra amin’ny volotsangana ny Afima. Amidy eto an-toerana sy aondrana any Eoropa, La Réunion ary Seychelles ny fanaka vitan’izy ireo. Diso ny finoana fa manakorontana tokantrano ny fanaovana fanaka volotsangana. Efa nampiasa azy hatao trano (rotsopeta, lafin-drihana) ny Ntaolo nefa nilamina tsara ny tokantranony.
Velaran-tany 1 000 ha
Miisa 50 ny firenena mpikambana ao anatin’ny Inbar, anisany i Madagasikara. Nilaza ny mpandrindra nasionaly, Rajaonarison Njaka, fa tanteraka ity fanomezana fitaovana ity, satria ilaina ny fifehezana ny teknika sy ny faharahana ny fenitra iraisam-pirenena.
Nohazavain-dRasolonirina Ramenason, mpandrindra nasionalin’ny tetikasa Inbar ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, fa miisa 35 ny karazana volotsangana eto Madagasikara, ary nisy vao nampidirina avy any ivelany. Haingam-paniry izy io, ka misy ny tetikasa hambolena azy any amin’ny faritra 5 (Analamanga, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany) amina velaran-tany 1 000 ha. Misy koa orinasa tsy miankina namboly 400 ha, hamokarana indostrialy toy ny gorodona (parquet) sy saribao.
Njaka Andriantefiarinesy




