Havaozina ny antso ho an’ny fanafarana solika eto Madagasikara, manomboka ny 1 janoary 2027 hatramin’ny 30 jona 2027. Hisokatra ny alatsinainy 28 septambra 2026 hatramin’ny alatsinainy 5 oktobra 2026 ny antso (Appel à manifestation d’intérêt).
“Hisy fanovana lehibe amin’ny fomba fanatanterahana ny appel d’offres, amin’ny fanafarana solika avy any ivelany”, hoy ny tale jeneralin’ny Ofisy malagasy misahana ny Akoran’afo (OMH), Raveloson Cydolain, ny alakamisy 24 septambra lasa teo, tetsy amin’ny foiben’ny OMH Behoririka. Ny OMH mihitsy no hikarakara ny antso ho an’ny mpamatsy amin’ity indray mitoraka ity, raha toa ka mpamatsy efatra (Titulaire de licence d’importation d’hydrocarbures) no niandraikitra izany hatramin’izay. Anisan’ny mpamatsy ankehitriny ny Galana, Total Energy, Jovena ary Vivo Energy izay mpikambana feno ao anivon’ny «Groupement pétrolier de Madagascar (GPM). Nambarany ihany koa fa «Tapitra amin’ny volana novambra 2026 ny fifanarahana manan-kery amin’izao fotoana izao. Misy ny fanitarana hatramin’ny desambra. Hisy aorian’izay fifanarahana vaovao manomboka ny volana janoary 2027, mahakasika ny gazoaly, ny solika fandrehitra ary ny lasantsy». Nanamafy ihany koa ny tale jeneralin’ny Akoran’ Afo (DGH) eo anivon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoran’afo (MEH), Randrianarahinjaka Harivelo, fa « fametrahana ny mangarahara no antony voalohan’izao fanovana izao ».
Mangarahara
Azo alefa mailaka na entina mivantana any amin’ny OMH ny antontan-taratasy fandraisana anjara. Ao anatin’ny « formulaire numéro 1 », izay ho hita manomboka ny alatsinainy izao no ahitana ny fepetra sy masontsivana takina, izay misy ny fahafahana ara-bola sy ny porofo ara-barotra momba ny fitaterana an-dranomasina. Handalo sivana voalohany ny mpametraka antontan-taratasy, ary ireo voafantina ihany no hahazo ny « dossier d’appel d’offres ». Nohamafisin’ny Tale jeneralin’ny OMH fa «mpamatsy matihanina sy afaka miantoka tsy tapaka ny fahatongavan’ny solika no kendrena, satria Nosy isika ka raha misy tsy fahatomombanana dia mety tsy ho tonga aty ny vokatra». Notsindriny fa natao ao anatin’ny mangarahara tanteraka ny dingana rehetra, ary hivoaka ao amin’ny tranonkala ofisialin’ny OMH ny fanazavana rehetra momba izany. Marihina fa miakatra ankehitriny ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Miakatra ihany koa ny saram-pitaterana noho ny ady any Moyen-Orient.
Henintsoa




