GCAM 2026: Fivezivezena mora mihetsika

Mizara roa! Nanomboka ny 25, hitohy ny 26 ary 27 septambra ny hetsika Salon de l’auto Madagasikara eny amin’ ny CCI Ivato. Mampiavaka ity andiany faha-15 ity ny fitohizan’ny hetsika fanindroany indray, ny 1, 2, 3 ary 4 oktobra, eny an-toerana ihany. Mikarakara azy ny Vondron’ny mpanafatra fiara avy any ivelany eto Madagasikara (GCam). Nasongadin’ny filohany, Rayhan Vasram, nandritra ny lahateny fanokafana, ny zoma teo, fa manana ny anjara toerany lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fiarakodia. Ankoatra ny lafiny varotra, mitondra ny anjara birikiny amin’ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra, miteraka asa, mamaly ny filan’ny firenena koa izy.
Izay no nahatonga ny lo­hahevitra tamin’ity andiany faha-15 ity hoe: fivezivezena mora mihetsika (mobilité intelligente). Satria, tsy mitsahatra mivoatra ny sehatry ny fivezivezena, ampiasana ny teknolojia niomerika. Ho mora ampiasain’ny rehetra, ahitana karazana tolotra samihafa, manaraka ny fivoaran’ny toetr’ andro izany. Hita ao avokoa ny hiaka farany, manomboka amin’ny fiara, ny moto, ny fitaovana vaventy, manaraka an’izay fivoarana izay avokoa.

Njaka A.

Partager sur: