Toamasina: Jiolahy iray lavon’ny polisy

Jiolahy iray indray no lavon’ny balan’ny polisy tany Toa­masina, ny alin’ny 23 septambra 2026 teo. Nahatsikaritra andian’olona nampiahiahy ny mponina tamin’io fotoana io ka nampandre ny mpitandro filaminana. Voalaza fa mitondra zava-maranitra toy ny antsy, teny amin’ny faritra Pavé, Anki­rihiry sy Bar Saholy Toamasina ireo andian’olona ireo.
Nidina ifotony avy hatrany ny polisim-pirenena vantany vao nandre ny vaovao. Natao ny paikady rehetra sy ny fanarahan-dia. Nifanena sy nahatsikaritra ny telo tamin’ireo andian-dehilahy voalaza ny polisy rehefa tonga teo amin’ny manodidina ny biraom-pokontany 11/58. Nasaina nijanona ny hosavaina ireto farany saingy tsy nety sy niezaka nandositra. Raikitra, araka izany, ny fifandonana sy ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta, taorian’izay. Nampitandrina ny hitifitra ny polisim-pirenena saingy nandositra hatrany ireo olon-dratsy. Voatery nitifitra ireo mpitandro filaminana ka voan’ny bala ny iray tamin’ireo jiolahy. Maty noho ny ratra mafy nahazo azy ity farany. Tafaporitsaka tany anaty haizina kosa ny namany hafa ary mbola manohy ny fikarohana azy ireo ny mpitandro filaminana.

Mino

Partager sur: