Najoro ho famolavolana ny tanora handray andraikitra ny Akademia an’ny antoko Malagasy miara-mianga. Nampahafantarina ny herinandro teo tamin’ny fomba ofisialy izany tetikasan’ny antoko izany ho fanomanana taninketsa.
«Adidinay ny fampianarana ny sehatry ny politika sy ny raharaham-pirenena ny tanora. Porofo koa izao fa manome sehatra ho an’ny tanora ny MMM. Nampandray anjara ny tanora hatrany izahay fa tsy voatery nasehoseho », hoy ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo. Nanteriny fa ilaina ny fanofanana tahaka izao hanamafisana ny fifampifehezana. Anaty fifanakalozan-kevitra no hanaovana ny fanofanana amin’ny maha politika azy. « Mahay mihaino sy maneho hevitra ary mahay manatanteraka. Tsy misy mpanao politika raha tsy avy amin’ny antoko politika… », hoy izy. Nohitsiny koa anefa fa mila miofana ireo efa tranainy sy zokiny mba tsy hanaotao foana eo amin’ny fanaovana politika na efa eo amin’ny toerana aza.
Manabe sy manofana ny tanora eo amin’ny fitantanana ny firenena izany Akademia izany. Anisan’ny fepetra fidirana amin’izany ny maha mpikambana eo anivon’ny MMM. Efa niditra ny andiany voalohany ka miisa 51 ireo tanora avy amin’ny faritra manerana ny Nosy miofana eny an-toerana. Maharitra enim-bolana ny fiofanana ka ao anatin’izany ny haitarika sy ny fitantanana andraikitra amin’ny fampandrosoana eny ifotony ; ny fandraharahana… Tafiditra ao anatin’izany koa ny resaka demokrasia ; ny etika, ny fifidianana… « Mifanaraka amin’ny fotokevitry ny MMM momba ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny faritra mahazaka tena izao fananganana ny Akademia izao ary haparitaka any amin’ny faritra maro », hoy ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo. Nohamafisiny fa finiavan’ny MMM ny hametraka tanora lehilahy sy vehivavy ho hery lehibe entin’ny fanavaozana. Hanofana taranaka politika vaovao, mahay sy vonona hanompo ary marina sy maneho ny fahasamihafana, araka ny nambarany.
Synèse R.





