Nolanian’ny Antenimierampirenena, eny Tsimbazaza, afakomaly, ny volavolan-dalàna lah. 039/2026 momba ny fampiasana azo antoka sy am-pilaminana ny teknolojia nokleary eto Madagasikara. Nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana izany nandritra ny fandinihana nataon’ny Antenimiera. Mifototra amin’ny fitsaboana, ny fambolena, ny fikarohana ary ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izany.
Nambaran’ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Rakotoniaina Pety, teny Tsimbazaza, afakomaly, fa manome lanja sy hasina ny Antenimierampirenena ny tale jeneralin’ny ACM, Rakotoarisoa Alban, matoa nangataka ny hanaovana fanadihadiana parlemantera ny raharaha fiaramanidina 777. Tsy mangataka ny handrava ny Antenimierampirenena izy, na nitarika ny tolona tamin’ny 25 septambra aza.
Nambaran’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), afakomaly, fa telo tamin’ny 27 ny kandidà voafantina ho tale jeneralin’ny Sampandraharaha malagasy misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana (Samifin). Natolotra ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianinirina Michaël, ny anaran’izy ireo hanendreny izay ho tale jeneraly vaovao.




