Sady tsy tsara no tsy ratsy, nanao ady sahala 1 no ho 1, teo anatrehan’ny Taifas Stars Tanzania, ny Barean’i Madagasikara, omaly, tany Maroc. Mbola sarotra ny dian’ny Malagasy mankany amin’ny “Can 2027” anatin’ity vondrona “L” ity.
“Tsy nandresy nefa tsy resy!”. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny lalaon’ny Barean’i Madagasikara sy ny Taifas Stars Tanzania, omaly, tao amin’ny Kianjan’ny Honneur de Meknes, Maroc. Ity no sahala voalohany azon’ny Malagasy, nandritra ity fifanintsanana Can 2027, ho an’ny vondrona “L”, ity. Tsy mbola nahita fandresena mihitsy izany ny Barea. Raha ny fikarohana natao, mipetraka eo amin’ny laharana fahatelo hatrany isika. Raha hiverenana ny fifandonan’ny roa tonta, nanindry tanteraka ny Malagasy mpilalao tao anatin’ny 90 min nilalaovana ary niaina tamin’ny valim-panafihana ny tanzanianina. Tamin’ny fidirana voalohany, maro ireo baolina tokony ho tafiditr’i El Hadary sy ry Lapoussin, saingy tsy nifanitsy tamin’ny masonaraton’i Tanzania izany, fa voadonan’ny vodilaharana hatrany. Ny minitra faha-38, rehefa namotsotra baolina i Lapoussin, lohalaharana malagasy, tafaporitsaka tampoka i Thobias Kachwele, tanzanianina, ka nampiditra ny baolina ho an’ny Taifa Stars. Nitarika 1 no ho 0 i Tanzania, ary io isa io no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Nandritra ny fidirana faharoa, niezaka nanenjika isa ihany ny Malagasy. Dimy minitra taorian’ny fialan-tsasatra (faha-50 min) nahasahala ny isa i Nicolas Fontaine, lohalaharana malagasy, rehefa nanandrana nandaka teo ivelan’ny faritra tsy azo ivalozana. Taorian’io, nitambesatra tanteraka ny havizanana ho an’ny Malagasy na dia nanafika hatrany aza izy ireo. Ny faha-78 min, saika nampiakatra ny isa ho roa ny Taifa Stars, saingy nidona tamin’ny tsanganam-by izany. Nijanona tamin’io isa 1 no ho 1 ny fihaonan’ny roa tonta. Tsara marihina fa ny novambra ho avy izao no hifandona amin’i Guinea Bissau, indroa misesy, ny Barean’i Madagasikara.
Lalao ara-pirahalahiana…?
Ampahafantarina ihany koa fa ny 6 oktobra ho avy izao vao hifarana ny fe-potoana natokan’ny Federasionina iraisam-pirenena Fifa ho an’ireo lalaon’ny ekipa nasionaly. Saika manana lalao telo sy efatra avokoa ny ankamaroan’ireo firenena hafa, raha toa ka roa ihany no mbola ofisialy ho an’i Madagasikara. Mbola baraingo, hatreto, ny mety hanaovan’izy ireo fihaonana ara-pirahalahiana amin’io fotoana io. Marihina fa i Comores, hifandona amin’i Senegal, ao amin’ny Kianjan’ ny Orange Velodrome Marseille, France, ny alahady 4 oktobra ho avy izao.
Fitia Randria





