RPSD : “Tsy mahamaika ny fifidianana, diovina aloha ny kianja”

Nitondra ny fahitany ny raharaham-pirenena ny antoko RPSD, ankehitriny. Tsy mahamaika ny fanaovana fifidianana fa ny fanadiovana ny kianja hilalaovana politika no maika, araka ny nambaran’izy ireo.

“Ny fomba fanaovana politika nataon’ny mpanao politika no tena manapotika ny firenena. Tsy tokony hahamaika ny fifidianana, fa diovina aloha ny kianja anaovana politika”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny RPSD, Andrian­tsizehena Benja Urbain, ma­noloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nanao Sonia ny “Sata ho fanoloran-tena ho an’ny dinika politika” nokarakarain’ny Vo­vonana miaro ny fanovana miatrika ny Repoblika vaovao (VMFR) ny antokony. Rehefa mikorontana ny fifidianana, miafara amin’ny olana politika. Tsy maintsy misy ny vahaolana politika tadiavin’ny mpanao politika. “Ho an’ny mpanao politika ny fitantanana firenena. Aoka hajanona amin’izay ny fanaratsiana ny antoko politika sy ny mpanao politika”, hoy izy. Manomboka izao, izay manao ny tsy mety no aoka hiova. Izay no manimba ny fanaovana politika eto Madagasikara.
Anisan’ny mitaky ny fanavaozana eto amin’ny firenena ny antoko RPSD. Herintaona izao ny fitondrana Fanavao­zana. Amin’izay maha herintaona azy izay, azo atao ihany izany ny manao ireny zavatra be dia be ireny eto amin’ny firenena amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Noho ny mpitondra teo aloha tsy nanao an’ireny fa miroso ny fanavaozana, tokony hampiana izy. Tokony hiara-mifampidinika amin’ny antoko politika ny filohan’ny Fanavaozana. Izay no lesoka nisy teo aloha. Tsy tokony hiverina intsony izay, ary homena sehatra ny tanora sy ny vehivavy. Nohamafisiny fa tsy tokony hadinoina fa ny antoko politika no lohalaharana amin’ny fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: