Nankalazaina maneran-tany, ny 1 oktobra teo, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona. Tamin’ny ankapobeny, nolalovam-potsiny izany ho an’i Madagasikara. Araka ny voarakitra ao anaty tantara, anefa, fatra-panaja sy nanome hasina fatratra ny zokiolona ny Malagasy sy ny fiarahamonina nisy azy. Tokony hifanaraka amin’izany ny zava-misy iainana isan’ankohonana, isam-pianakaviana, eny anivon’ny fiarahamonina, eto amin’ny firenena… Endrika maneho fa nanjary ataon’ny Malagasy tsinontsinona ny zokiolona.
Ho an’ny Malagasy, omeny lanja sy hasina ny zokiolona. Maro ireo antony lehibe niteraka izany. Iray amin’ireny ny fananana ny fahendrena sy ny fahaiza-miaina ary ny fandaminan-draharaha ho fitsinjovana ny zotram-piainan’ny taranaka any aoriana. Fanovozan-kevitra ny zokiolona. Mananatra raha misy diso lalana. Manoro sy mitari-dalana. « Mikapoka » sy manafay, raha ilaina. Mpitahiry ireo maha izy azy (fomba amam-panao, tantara…) ny tsirairay sy ny fianakaviana… Nanjary lalàna tafatoetra teny amin’ny fiarahamonina ny fanajana, fanomezam-boninahitra sy hasina, sns, ny zokiolona.
HaRy Razafindrakoto





