Rugby – Africa Sevens Men’s Series : Laharana faharoa ny Makis Madagasikara

Tompondaka lefitra aty Afrika ny Makis Madagasikara nandritra ny fiadiana ny “Africa Sevens Men’s Series”, taranja rugby lalaovina olona fito. Resin’i Kenya teo amin’ny famaranana ry zalahy. Na izany aza, nahazo ny tapa­kila hiatrehana ny dingana manaraka, dia ny fiadian-toerana ho an’ny lalao Olympika (JO 2028). Fandresena efatra sy faharesena iray ny vokatra azon’ny Makis.

Tsy nitsanga-menatra ny Makis Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ta­ranja rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy “Africa Sevens Men’s Series”. Fihaonana natao omaly, tao amin’ny Kianja Sparc, Cascavelle Mau­rice. Nitana ny laharana faharoa ary nandrombaka ny me­daly volafotsy izy ireo. Resin’i Kenya teo amin’ny famara­nana, tamin’ny isa tery 15 no ho 12. Afa-bela tamin’ny Makis ry zareo kenyanina, izay efa nomontsaniny tamin’ny isa 26 no ho 0 nandritra ny lalaom-bondrona. Niady ny lalao teo amin’ny roa tonta. Nanokatra ny isa ny Makis, tamin’ny alalan’ny baolina nentin-tanan’i Jean Marc, saingy tsy voa­tsara ka 5 no ho 0 ny isa. Taorian’io, nanao be fiavy ny kenyanina ary nampiasa ny vatam-beny. Tsy voasakana izy ireo ka nahatsindry baolina izay voatsara. 7 no ho 5. Io ny isa nentin’ny roa tonta niala sasatra. Fidirana faharoa, nahatonga baolina nentin-tanana indray i Kenya saingy tsy voatsara ka 12 no ho 5. Taorian’io, nampiasa ny ha­fainganam-pandehany i Jean-Yves sy i Yvon ka nahatonga baolina tao ambany Haintso indray i Rado ary voatsara ka sahala 12 no ho 12. 1 mn tsy hiravana nibodo ny kianja nisy ny Makis ny Kenyanina. Nanao fahadisoana ihany koa ny Makis ka 10s tsy hiravana, nahazo “hors jeu” izy ireo. Notsaraina izany ka maty ary nirava ny lalao. Nivoaka ho mpandresy i Kenya. Raha tsiahivina ny lalana nodiavin’ ny Makis, laharana voalohany tao amin’ny vondrona “B”, rehefa nandresy nisesy an’i La Réunion, Namibia ary i Kenya. Niatrika ny manasa-dalana ka nandavo an’i Bur­kina Faso. Nitana ny laharana fahatelo, i Afrika Atsimo izay nandresy an’i Burkina Faso, tamin’ny isa 22 no ho 14. Ekipa valo izany no hiady ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika 2028 dia ireo efatra tafavoaka tatsy Maurice dia i Kenya, Madagasikara, Afrika Atsimo sy i Burkina Faso ary ireo efatra tafita tany Ouganda dia i Zimbabwe, Ouganda, Maroc ary i Zambie.

Tompondaka

Partager sur: