Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy D1 lahy sy vavy. Norombahin’ny zandary (GNVB) avokoa ny amboara tamin’izany. Adin’ny samy zandary ny famaranana teo amin’ny sokajy lehilahy. Voahosotra ho tompondaka ny GNVB 1 rehefa nanilika ny GNVB 2, tamin’ny seta 3 no ho 1. Lasan’ny GNVB 1 ny seta voalohany 25/20. Nosahalain’ny GNVB 2 izany 22/25. Hatreo ihany anefa fa azon’ny GNVB 1 avokoa ireo seta roa hafa 25/15/ ; 26/24. Niady hatramin’ny farany kosa ny lalao teo amin’ny sokajy vehivavy. Seta 3 no ho 2 no nandresen’ny GNVB 1 ny Squad ary efa tany amin’ny «tie-break» vao tafavoaka ny zandary. Nifandimbiasana hatrany ny nitarika ny seta. Lasan’ny zandary ny voalohany 25/11, avy eo nosahalain’ny Squad 19/25. Nalain’ny zandary indray ny seta fahatelo 25/13 ary an’ny Squad ny fahefatra 10/25. Tamin’ny isa tery, 16 no ho 14 no nahazoan’ny zandary ny seta fahadimy, nibatany ny amboara.
Tompondaka





