INDRAY MIJERY

Nitokana ny EPP Analamboanio, Dren Atsina­na­na, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ireo fotodrafitrasa niharan’ny fahasimbana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ity sekoly ity. Ny fiaraha-miasa tamin’ny Rotary Club ao Toamasina sy ny fanohanana tamin’ny alalan’ny tetikasa Talim no nahatanteraka ny asa fanarenana.

Ny 7 oktobra ho avy izao, hisy ny fampahafantarana sy famoahana amin’ny fomba ofisialy ny rindrambaiko ” Izaho sy ny sombin’ny aiko”. Afaka ampiasain’ny reny malagasy rehetra ary maimaimpoana hoentina hisorohana ny tranga sarotra mety hiseho mandritra ny fitondrana vohoka, ny fiterahana ary ny aorian’ny fiterahana izy io.

Mandritra ny volana oktobra, mikarakara fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy ny vonzon’ny tranon-jaza ho an’ny vehivavy rehetra (octobre rose) ny Fondation Akbaraly. Ao amin’ny centre Kintana eto Antananarivo, ao amin’ny Centre Rex ao Fianarantsoa ary eny amin’ny Centre Candide any Mahajanga no hanaovana ny fitiliana.

Partager sur: