Barean’i Madagasikara U23: “Homena sehatra kokoa ny mpilalao avy eto an-toerana” hoy i Boualem mpanazatra

Nilaza i Boualem, mpanazatra ny Barea U23, fa ny 70 isan-jato ny lisitry ny ekipam-pirenena zandriny amin’ity dia hanomezana sehatra ireo mpilalao avy eto an-toerana. Mbola mitohy hatrany ny fifantenana araka ny fanazavana nomeny.

Nambaran’ ny mpanazatran’ny Barea U23, i Boualem Mankour, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, fa homena sehatra kokoa ny mpilalao avy eto an-toerana amin’io fifanintsanana ho an’ny “Can U23” 2027 io. Raha ny fanazavany, ny ampahany betsaka ao anaty lisitra dia ho mpilalao mifaninanana eto Madaga­sikara avokoa. Resy lahatra amin’ny fahaizan’ny Malagasy mifaninanana eto an-toerana izy. “Mahay ny Malagasy, porofon’izany ny zava-bitan’
izy ireo nandritra ny “Chan 2024” farany teo. Manana fahaiza-manaony ka tonga eto aho hanampy azy ireo, indrindra fa eo amin’ny lafiny taktika sy ny ara-tsaina”, hoy ity teknisianina vahiny ity. Tsiahivina fa ny 9 sy ny 17 novambra ho avy izao no hiatrika ny dingana faharoan’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika (Can 2027) ny Barea, izay hifanandrinany amin’ny Bafana Bafana Afrika Atsimo. Nanao lalao fitsapana tany Moramanga, ny alahady lasa teo, ny Barea U23. Nandresy ny ekipa voafantin’i Mora­manga, tamin’ny isa 4 no ho 1, izy ireo. Na teo aza izany, nilaza i Boualem fa tsy afa-po tamin’ny lalao nasehon’ny ekipany izy, ka nanapa-kevitra ny hanokatra indray ny varavarana ho an’ireo mpilalao hafa. Araka izany, mbola mitohy ny fifantenana. Nomarihiny fa efa niresaka tamin’ny mpilalao sy ny ekipa teknika izy ary nankasitraka ny zava-bitan’izy ireo, saingy mbola betsaka ny asa atao. “Mpilalao valo na sivy eo ihany no tena nahasarika ahy, raha toa ka misy ireo izay tsy mbola mendrika ny handrafitra ny Barea”, hoy izy. Raha tsy misy ny fiovana farany, hifarana ny 19 oktobra ho avy izao ny fitiliana ireo avy eto an-toerana, raha toa ka ny 22 novambra ho an’ireo any ivelany.

Fitia Randria

Partager sur: