Fantina sy fintina

Tsy azo ihodivirana ny hananantsika filo­ham-pirenena voafidim-bahoaka mialoha ny fahataperan’
ny taona 2027, araka ny nambaran-dRaderanirina Sendrison Daniel, omaly. « Fanasaziana vahoaka ny tsy fanatanterahana izany », hoy izy. Tsiahivina fa kandidà filoham-pirenena ny taona 2023 ny tenany. Nangina taty aoriana ary izao naneho hevitra izao indray.
Nivoitra tamin’ny kongresim-paritanin’ny HVM, tany Mahajanga, ny sabotsy teo, ny fanehoana ny firaisankina sy ny fifampizarana eo anivon’ny mpikambana. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ireo mpikatroka avy ao Boeny, Sofia, Betsiboka, Melaky. Nitarika izany ny filoha nasionaly sady ambasadaoro, Rakotovao Rivo.
Nanamafy ny fanohanany ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ireo tanora sy vehivavy avy amin’ity antoko ity. Notanterahina tao amin’ny Magro Place Kabary, ny alahady teo, ny fihaonan’izy ireo. Nisy koa ny fifampizarana fahaiza-manao eo amin’ny fahandroana sakafo, ny zaitra, ary ny teny vahiny tamin’izany.
Mitohy ny fidinana ifotony, fiaraha-miasa amin’ireo sefo fokontany, araka ny nambaran’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, Razafimanantsoa Hanitra, omaly, tamin’ny fananganan-tsaina tetsy Antaninarenina. « Mitohy eny amin’ny kaominina sy distrika, amin’ny fanentanana ny vahoaka handray anjara amin’ny fakan-kevitra eny ifotony, izany », hoy izy.

Partager sur: