Taorian’ny resabe sy ny fitakiana ny marina nataon’ny mpanaraka tambajotran-tserasera momba ny faty olona teny Madera Namontana, ny alin’ny alakamisy 1 oktobra lasa teo, nanokatra fanadihadiana ny tomponandraikitra voakasika. Imasoana anatin’ity fanadihadiana ity ny hijerena manokana ny mety ho nisian’ny tandrevaka teo amin’ny mpitandro filaminana, ny andraikiny teny an-kianja. « Mba tsy hisian’ny mety ho kiantranoantrano sy hahitana ny marina raha toa ka tena nisy marina ny fihoaram-pefy nataon’ireny polisy ireny na tsia », hoy ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, Rakotoniana Narindra Navalona. Ankoatra io, hanokatra ny fanadihadiana momba ny fitoriana voaray manoloana ny tranga fandrobana teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Hisahana ny famotorana ny polisy misahana ny raharaham-pitsarana eo anivon’ny polisy sy ny zandarimaria.
Nametraka fitoriana
Nametraka fitoriana any amin’ny fitsarana rehefaavy nalefa eny anivon’ny enquête mixte ny fianakavian’ny namoy havana sy naratra ary ny orinasa La Gastronomie Pizza, raha ny nambaran’ny mpisolovava, ny Me Raveloarinivo Sylviane, omaly. « Fihoaram-pefy ny zava-nisy tamin’iny andro iny ary tsy nifandanja mihitsy ny hery», hoy ihany izy. Olona roa no voasambotry ny polisy, tetsy amin’ny toerana fatoriana eo anivon’ny orinasa, Soanierana, ny ampitson’ny tranga, raha ny fanazavany ihany. Efa nalefan’ny mpitsabo nody izy ireo rehefa tsy nahiana ny fahasalamany. « Fisamborana tsy mora fa nadaboka tamin’ny tany, nafatratra tao amin’ny pick up ny polisy, niaraka tamin’ny gérant sy ny sécurité iray », hoy ihany izy. Nentina teny Anosy ary nafindra eny amin’ny hopitaly Homi, andrasana sy ambenana polisy.
Tsiferana R. / Mino





