Kilalaon’ny mpanao politika

 

Manomboka vao maraina dia efa an’aliny maromaro ny mpanaraka ny tambajotran-tserasera sy ny fahitalavitra manaraka ny Raharaha Ambohimalaza. Mahaliana tokoa ilay izy! Handany vola hijery tantara mitohy aza hatao. Mainka fa tantara tena nisy, tsy foronina. Ny Malagasy rahateo tia raha hafahafa. Mora variana amin’ny tantaram-piainan’ny hafa. Sondriana mihaino, manaraka famakafakana. Zary lasa mpahay lalàna avokoa Ramalagasy.
Eto no hisarihina ny sain’ny tsirairay. Lasa fositra hampikatso fampandrosoana ilay fotoam-pitsarana. Tsara ny mangaraharaha tahaka izao, saingy variana loatra any amin’ilay izy ny ankamaroan’ny olona. Hatrany anaty birao, hatreny an-tsena rehetra eny! Mifantoka ao avokoa. Hisy fiantraikany amin’ny famokarana izany. Fotoana tokony hanaovan-javatra, lany amin’ny Tele sy Facebook. Vao maka rivotra ny mpianatra dia mihohoka amin’ny finday.
Tsy vitan’izay, mbola mikiky ny tahirikely any an-trano ilay izy. Tonga amin’ilay fitenenana hoe, ny kely anananao dia ho esorina aminao. Ny Avo ihany no tovonana satria firy miliara ny tombom-barotra azon’ny orinasa mikirakira ny fanjifana internet eto amin’ny tanàna. Lasa mivadika ho fitadiavam-bolan’ny henjana hatrany izay miseho. Ny madinika anefa voatsetsitra ihany. Efa voazanaka ara-tsaina sy ara-panahy ka manaiky ny tiankano tsy tiankano.
Tsy hita ifanomezan-tsiny ny zava-mitranga. Olana iray sedrain’ny vahoaka malagasy ny tsindry amin’ny endriny samihafa. Mikorontana ny fiainana, zary tsy misy fitoniana. Zara aza mahita ialana vokona sy hanadinodinoina ny adintsaina. Vao mahita tranga na lohahevitra iray mahavariana dia efa iny, miara-mirona any avokoa. Mora rebirebena sy lalaovin’ny mpanao politika amin’ny toe-po sy fihetseham-po. Zary lalaovin’ny mpanao politika vokatr’izany.

r.r

Partager sur: