Nikasa hamaky trano: jiolahy iray voasambotra, nahitana basy kilalao

Lehilahy iray, 29 taona, voasambotry ny zandary teny Talata Volonondry, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady 04 oktobra 2026, tamin’ny misasakalina, lasa teo. Nikasa hamaky trano iray teny an-toerana izy saingy voasambotra. Nahitana basy poleta, plastika, kilalao miloko mainty teny aminy. Niampy ireo fitaovana famakiana trano hafa izany, toy ny maritoa, antsy, pince, kobay, jiro enti-tanana, rongony roa fonosana (3 g eo ho eo). Efa nisy ny fanapitsohana ny fanalahidin’ny trano nentin’ireo jiolahy. Nahazo antso avy amin’ny solombavambahoaka mipetraka eny an-toerana ny zandarimariam-pirenena. Voalaza tamin’izany fa misy mpamaky trano tafiditra ao anaty tokotaniny sady misikotra ny varavarany. Tsy tao izy tamin’ny fotoana nisehoan’ny tranga, fa namita iraka tany amin’ny faritra fa ny vady aman-janany telo mianaka no tao. Nidina ifotony avy hatrany ny zandary rehefa nahazo antso. Mbola tratra teo am-pisokirana ny varavaran’ny trano ny jiolahy maromaro. Nitsoaka ny namany, raha azo sambo-belona kosa ny iray. Namaly moa izy rehefa nosamborin’ny zandary ka voatery nanafay azy ny fokonolona sy ny zandary. Voalaza fa nitsambikina ireo fefy ny jiolahy ka nahafahany niditra tao an-tokotany. Efa notanana ao amin’ny biraon’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Talata Volonondry ity jiolahy ity, rehefa avy notsaboina tao amin’ny CSB-II eny an-toerana ihany.

Mino

Partager sur: