Tsipy kanetibe – Mada 2026: hiatrika ny «Tournoi estival 2027» ny CBC

Tanteraka soa aman-tsara teny amin’ny Kianja Ambohitsaina, ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka.

Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny “se­nior”, lehilahy, ny CBC Cecam Analamanga, nahitana an’i Jacky sy i Olivier ary i Tendry. Lasan’izy telo mirahalahy, araka izany, ny tapakila handehanana any France, hiatrehana ny “Tournoi estival 2027”. Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 5, ny PAC Am­pitatafika, nahitana an’i Rija sy i Baloty ary i Hery. Tsy niady ny lalao fa nanatombo teo amin’ny lafiny rehetra ny CBC. Tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny Fam, nisy an’i Lalatiana sy i Salima ary i Vatosoa. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 13 no ho 8, ny C2BA, nahitana an’i Angela sy i Tafitasoa ary i Lahatriniaina. Nobatain’ny C2BA ny amboara teo amin’ny “junior”, nahitana an’i Valisoa sy i Feno ary i Flavien. Resin-dry zalahy ny PAC nisy an’i Nantenaina sy i Anjarako ary i Tsiory, tamin’ny isa 13 no ho 7. Adin’ny samy ABC kosa ny “vétérans”. Tom­pondaka i Solo sy i Hery ary i Marc, rehefa nandresy an’i Anicet sy i Joseph ary i Mo­deste, tamin’ny isa 13 no ho 4. Iny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara iny koa no namarana ny taom-pilalaovana ho an’ny federasionina (FSBM).

Tompondaka

Partager sur: