World Tennis Tour Junior J30: nandresy i Tovonirina

Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Club COT Ilafy, ny dingana voalohany amin’ny World Tennis Tour Junior J30, ho an’ny sokajy U18. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny olon-tokana, lehilahy, i Tovonirina. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 2 no ho 1 (6/3 ; 1/6 ; 6/3), ilay teratany Danois, i Nicholai Peterson. Teo amin’ny olon-droa, lasan’ilay Poloney, i Olivier Krupa sy ilay Danoà, i Nicholai Peterson, ny amboara. Lavon’ izy mirahalahy teo amin’ny famaranana, (6/2; 4/6 ; 10/8), i Tianqi Shao avy any Chine sy i Brandon Hass. Ho an’ny sokajy vehivavy, tompondaka Ratre Ando Tiantsoa, Ma­lagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay. Seta 2 no ho 0 (6/1; 6/4) no nandreseny ilay Indianina, i Armani Nalavade. Ho an’olon-droa, nibata ny fandresena i Ando Tiantsoa sy i Mirindra Fanomezantsoa. La­von’izy mirahavavy, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/4), ilay frantsay, i Tahira Bagate sy i Armani Nalavade. Hitohy anio ny dingana faharoa amin’ity “World Tennis Tour Junior” J30 ity.

Tompondaka

Partager sur: