Nitohy tao Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana, indray ny fikaonandoham-paritry ny MMM, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nifanakalozana tamin’izany ny momba ny fifidianana sy ny faritra mahazaka tena.
Tsy ny olona no olana. « Ilay rafitra mihitsy no mila ovaina. Diovina koa ny tokotanim-pifidianana ary raisina avokoa ny fepetra rehetra manoloana ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka. Sazina sy andraisana fepetra hentitra ireo kandidà na mpikarakara fifidianana mangala-bato », hoy ny filohan’ny antoko, Andrianainarivelo Hajo. Notsiahiviny fa fototry ny olana teto hatramin’izay izany ka tsy nahatongavana tamin’ny fifidianana madio sy mangarahara. Tahaka izany koa ny tokony hirosoana amin’ ny lisi-pifidianana biometrika sy ny fametahana sary anatin’ izany. Tolo-kevitry ny MMM teny Iavoloha izany.
Etsy andaniny, tokony homena ny tomponandraikitra eny ifotony ny anjara andraikitra, ny fahefana ary ny enti-manana ilainy mba hiainga eny ifotony ny fampandrosoana, hahafahan’ny faritra tsirairay mahazaka tena. « Tsy hisy fampandrosoana vanona raha tsy mipetraka ny fitsinjaram-pahefana, araka ny vina efa novoizinay efa an-taona maro izao », hoy izy.
Fidiana ny filohan’ny Faritra
Nanteriny fa tokony hapetraka ny rafitra sy ny hifidianana ny filohan’ny Faritra. Eo koa ny toe-tsaina mandala ny tena fitsinjaram-pahefana.
Notsindriny koa fa tsy ho tafavoaka isika raha tsy miova ny toe-tsaina sy ny fomba fanaovana politika ary ny fitantanana ankapobeny na ho tafapetraka avokoa aza izany rehetra izany.
Tsiahivina fa faritra faha-12 nanaovan’ny MMM fikaonandoha izao natao tany Atsimo Atsinanana izao. Nahatonga solontena avokoa ireo distrika dimy, ahitana an’i Farafangana, Midongy Atsimo sy Befotaka ary Vondrozo sy i Vangaindrano.
Synèse R.





