Novonoin’ny mpanampy an-trano sy ny vadiny ilay karana mpampiasa azy tao Mahajanga Be. Nofatorana sady nosemporina ilay ramatoa 70 taona ka namoy ny ainy.
Naniry ny harenan’ny hafa sy natosiky ny fitiavan-karena tafahoatra, tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay vehivavy teratany karana ireo efatra mianadahy voasambotry ny polisy tao Mahajanga Be, omaly. Hita faty tao amin’ny trano fonenany ny teratany karana iray 70 taona, ny 28 septambra lasa teo. Novonoina izy, araka ny voka-panadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana ka niroso tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza izy ireo. Niainga tamin’ny famotorana ny olona tao anatin’ny tanàna nitrangan’ny vono olona ny raharaha. Nandritra ny fakan’ny polisy am-bavany azy ireo, olona mpanampy ao an-trano, voalaza ho anisan’ireo nandray anjara tamin’io tranga io. Niaraka nanatontosa taminy ny habibiana ny vadiny sy ny olona roa hafa. «Anton’ny famonoana ny fitiavan’ireo mpiasa mba hanan-karena tahak’ilay mpampiasa», araka ny loharanom-baovao. Nahita ny firavaka volamena sy ny vola tao an-trano io mpanampy io ka nanita-kevitra.
Intelo nikasa hamono
Fanintelony tamin’ny fikasan-dratsin’ilay vehivavy mpanampy vao nahomby ny teti-dratsiny hamono ilay mpampiasa azy, araka ny angom-baovao avy ao Mahajanga Be. Nitady hevitra hatrany ahafahany haka ny haren’io mpampiasa io ity vehivavy ity, nandritra ny fotoana niasany tao amin’ilay karana. Nandritra ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana azy efatra mianadahy, voalaza fa nofatorana ilay mpampiasa talohan’ny namonoana azy. Nosemporina izy ka tapitra ny ainy. Samy namolavola paikady hanakomana ny ratsy vitany ireo olona miisa efatra, saingy natsikafin’ny fotoana izany. Notanana atao fanadihadiana lalina avokoa izy ireo ka mandray an-tanana ny raharaha ny polisim-pirenena miasa ao Mahajanga. Atolotra ny fampanaovana aorian’io. Andrasana ny tohin’ity vono olona tao Mahajanga Be ity.
Tsiferana R.





