Karate – Tompondaka maneran-tany: hanainga amin’ny alahady ny ekipa

Voavaha ihany ny olana ho an’ireo Malagasy mpikatroka karate. Fantatra fa nanohana azy ireo ny fanjakana amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026. Anisan’ireo nanolo-tanana ny filohan’ny Fanavaozana sy ireo mpikambana sasany ao amin’ny prezidansa. Teo koa ny lehiben’ny governemanta sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ary lehi­ben’ny faritra Analamanga sy ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny karate ary ireo mpanohana samihafa. Tsy hadinon’ireo ray aman-drenin’ny atleta ny nitondra fisaorana ho an’ireo nanolo-tanana ho an’ireo atleta. Fantatra fa hanainga amin’ny alahady ho avy izao ny delegasionina malagasy. Tsiahivina fa hatao any Pologne, ny 14 ka hatramin’ny 18 oktobra ho avy izao, ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany taranja karate ity. Efatra mianadahy ireo hiaro ny voninahi-pirenena ka roa vavy dia i Ornella Iriantsoa sy i Ayrton ary i Tiary sy i Mathieu eo amin’ny lehilahy. Miandrandra vokatra tsara avy amin’izy ireo kosa ny Malagasy satria voninahi-pirenena no harovana any.

Tompondaka

Partager sur: