Sombim-baovao

Nanomboka ny talata lasa teo, teny amin’ny Kianja COT Ilafy, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ITF World Tennis Tour Junior – J30. Fifaninanana ho an’ireo mpilalao latsaky ny 18 taona lahy sy vavy. Hanana ny lanjany izany satria sady hakana isa no hiadiana laharana eo amin’ny Federasionina iraisam-pirenena.

Hotanterahina ny alahady 11 oktobra ho avy izao ny dingana fahadimy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja mekanika Karting. Fifaninanana karakarain’ny klioba SRK. Tsiahivina fa mety hamaritra sahady izay hisalotra ny anaram-boninahitra ity hotanterahina amin’ny faran’ny herinandro ity.

Nivoaka tao amin’ny pejin’ny Federasionina iraisam-pirenena ny baolina kitra (Fifa), omaly, indray ny filaharana vaovao ao amin’ny Fifa. Nilatsaka any amin’ny laharana faha-106 ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Tsiahivina fa ny herinandro lasa teo, nipetraka teo amin’ny faha-105 ny ekipan­tsika.

Partager sur: