Taratry ny kanto

Hankalaza ny faha herintaona niorenany ny «Fahatsiarovana mamy». Hetsika kolontsaina sy zavakanto hotanterahina eny amin’ny Mankafy Cabane Ambohimanambola, ny sabotsy 24 oktobra izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva. Ho hita eny an-toerana ireo kilalao taloha: vitsilia, sabaka, tsobato, zoera, course kapsily, dihimbazaha, sns. Hifanaraka amin’ny anaran’ny vondrona
«Fahatsiarovana mamy» ihany koa ny seho eny an-toerana. Anisan’izany ny karaoke retro, gala de chant, dancing retro, karajia, tantara vato, sns.

Tanora Masina Itaosy hanamarika ny ivon’ny fankalazana ny faha-35 taonany. Fampisehoana lehibe hotanterahina eo amin’ny Kianjan’Imahamasina, ny alahady 25 oktobra izao, manomboka amin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Hanotrona an-dry zareo amin’izany ry Antsa an’i Kristy, Rojo Ny Avo, Vetsonkira, Mialy Rakotomamonjy, Ny Mpitory, Ny Hasimpiderana, Jaja, sns.

Nanatanteraka fampisehoana tany Frantsa i Noely Ny Sakelidalana, ny herinandro lasa teo. Araka ny fantatra, manana olana amin’ny fahitana ity Malagasy mpanakanto ity, ka nentin’ny mpikarakara ny fampisehoana tany amin’ny manam-pahaizana momba ny maso. Tsy nisy fanafana intsony anefa izany, taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo azy. Marihina fa anisan’ireo mpihira manana feo miavaka (avo, maranitra, matanjaka…) i Noely Ny Sakelidalana. Anisan’ny tarika nahafantarana azy ny Rakotozanany Stanislas.

Partager sur: