Fahombiazana. Tsara ny vokatra nandritra ny enin-taona niasan’ny tetikasa Akany Iarivo mivoy (AIM) teny anivon’ireo fokontany eto an-dRenivohitra. Mahatratra 91 ireo olona marefo nisitraka tohana tamin’ny tetikasa hampivoarany ny fiainany. “Tao anatin’izay ireo tanora 28, fianakaviana marefo miisa 50. Vehivavy miisa 20 kosa niofana nandritra ny 10 andro momba ny tontolon’ny fandraharahana mba hahafahany mampandroso ny tetikasany”, hoy ny tomponandraikitry ny Association sœur Emmanuelle (Asmae), Andriamiarana Vatosoa Rehareha. Vaindohan-draharahan’ny AIM ny namerina indray eny anivon’ny fiarahamonina ireo tokantrano marefo. Nandritra izany, tafakatra 935 ireo nisitraka tohana. 89 kosa ireo ankizy tafiditra an-tsekoly ka ny 37 nisoratra anarana ao amin’ny EPP Anosibe, mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa. Ankilany, nahafahan’ireo mpisehatra samihafa nanamafy ny fahaiza-manaony enti-mampandroso ny asa ho an’ny tombontsoan’ireo mpisitraka, ny tetikasa. Vina apetrak’ireo mpiara-miombon’antoka (izay misy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Fondation Axian, Association internationale des Charités (AIC) ao Anosizato) ny hanohy izany. Omena sehatra manokana ny vehivavy mba hanamafisana ny fahaleovantenany sy hanatsarany ny fidiram-bolany, raha ny fanazavana hatrany. Marihina fa manohana ny tetikasa ny Région Ile-de-France.
Henintsoa





