« Nosy Be Jazz Festival » no niofo ho « Nosy Boraha Festival ». 10 taona aty aorian’ ny nanombohany, lasa « Nosy Jazz Festival » ny anarany. Tsy niova kosa ny tanjon’ ny hetsika.
Misy 3 ny hetsika lehibe ho an’ny Jazz eto Madagasikara. Zokiny indrindra ny « Madajazzcar », izay mandeha amin’izao fotoana izao. Manaraka ny « Jazz @ Tohatohabato ». Zandriny indrindra kosa ny « Nosy Jazz Festival ». Nampahafantarina tetsy amin’ny foiben’ny Yas Madagascar Andraharo, omaly, ny andinindininy mahakasika ny hetsika amin’ity taona ity.
« Nifanena tamina namana tany ivelany izahay ka tafaresaka momba ireo hetsika jazz miara-dalana amin’ny fizahantany. Vbareihn in jazz. Nisafidy ny Za tour hoe aleo Festival de jazz no hisarihana olona hankafy ny fizahantany, kolontsaina, fiarahamonina, hainahandro malagasy, sns. 10 taona lasa no nanomboka tany Nosy Be ny hetsika, notohizana tany amin’ny Nosy Boraha ary any Ampefy indray amin’ity », hoy ny fanazavana nentin’i Niry Ravelojaona, tompon’andraikitra voalohany amin’ny hetsika.
Ny 29 oktobra hatramin’ny 1 novambra no hanaovana ny « Nosy Jazz Festival » amin’ity. Hanomboka eto Antananarivo aloha izany, amin’ny alalan’ilay hetsika « Jazz et patrimoine », ny alakamisy 29 oktobra, eny amin’ny Lapa Andafiavaratra. Hihazo an’ Ampefy aorian’ izay, ka hisy ny carnaval manerana ny tanàna, ny zoma 30 oktobra, hotarihin’ny Bandy Baraka Big Band. Ny sabotsy 31 oktobra kosa ny sehatra goavana, izay hatao ao Palauvnia. Mpanakanto maro, Malagasy sy vahiny, no hifandimby eo. Ahitana ny Bandy Baraka Big Band, ny J.A.V, Groove in Four sy Solo Andriabasolo, Sulaiman Hakim, Michel Ranaivon Trio, Joel Rabesolo, sns.
Zo ny Aina





