Dr Rajaonson Hugues: antoky ny fampandrosoana ny agro-indostria

Namoaka ny voka-pikarohany ny Dr Rajaonson Hugues. Aminy, mitaky fandraisan’andraikitry ny fanjakana ny fanodinana ny vokatra amin’ny alalan’ny agro-indostria.

Nahavita fikarohana
lalina ny Dr Rajaonson Hugues, mpampianatra mpikaroka, manam-pahaizana manokana amin’ny toekarena ara-tontolo iainana. Efa nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena ary manohy mandroso vahaolana hatrany. Mifan­toka amin’ny tombana ny in­dostria eto Madagasikara ny fikarohana nataony, mahakasika seha-pihariana miisa dimy. Akora fototra lehibe afaka mitondra fampandrosoana ny katsaka. Azo ahodina ho angovo «bioéthanol», biogazy, vo­katra ara-tsakafo, vokatra ho an’ny tarehy sy ny vatana, ahodina ho lamba, sns izy io. Tsy ampy ho an’ny indostria maoderina anefa ny vokatra eto Ma­dagasikara. Faharoa, azo ahodina ho «amidon» ny mangahazo, lafarinina avo lenta «FMHQ), tapioca, solika (bio-carburant), sakafom-biby, la­kaoly, indostria fanafody, sns. Ampahany kely amin’ny mangahazo iha­ny anefa no voahodina. Fa­hatelo, ny vary, tsy mbo­la tafiditra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena i Ma­dagasikara, satria ny fanjifana eto an-toerana aza tsy ampy. Fahefatra, ny orge, akora ilaina amin’ny fanamboarana labiera. Anke­hitriny, mihena ny vokatra ambolen’ny tantsaha satria nisondrotra ny hetra, ka nahenan’ny orinasa, mampiasa azy, ny vokatra orge nofandrihana amin’ny mpamokatra. Faha­dimy, voafetra ny famokaran’
ny tantsaha ny « haricot vert », satria mihena ny fatra haondran’ny mpamokatra ma­laga­sy, noho ny tsy fisian’ny fandrindrana nasionaly.
Lesona i Mozambika

Manoloana ireo, vahaolana aroson’ny Dr Rajaonson Hugues ny, « tsy maintsy hentitra ny fanjakana, mampiasa ny fitaovany eo am-pelantanany, mametraka politika marolafy ». Lesona lehibe ho an’i Madagasikara ny nataon’i Mozambika. Miaro ny fananan’ny mpamokatra eny ambanivohitra, ny fananan-tany, manangana ivontoerana niomerika momba ny tsena. Teo koa ny fahasalamana, ny fiadiana amin’ny aretina mpahazo ny biby, ny fanapariahana ny vaovao ara-pambolena ary hamoraina ny fampindramam-bola ho an’ny fambolena, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: