Fantina sy fintina

Mitsipaka marindrano ny fanamarihana ny 14 oktobra ireo antoko politika: Vovonana loharano, vondrona Ampandrana, G5, HPM. Nambaran’izy ireo fa hanamafy sy hamerenana ny fanjanahan-tany ny fankalazana izany. « Fikapana ifotony ny farasisa sy rafitra nangejan’i Frantsa anefa no tena fanorenana ifotony », hoy izy ireo.

Tafiditra amin’ny fanamarihana ny 14 oktobra any Anahidrano, Antsohihy, ny fitokanana sekoly sy mozea, hetsika ara-kolontsaina ary fampirantiana. Ma­nampy izany ny fitsidihana ny trano fonenan’ny filohan’ny Repoblika I, Tsiranana Philibert. Hamaranana izany ny matso eny amin’ny seranam-piaramanidina Antsohihy.

Hadisoana ny firosoana amin’ny fifidianana amin’ny taona 2027 raha mbola io rafitra io no hikarakara izany, araka ny nambaran’ny mpitarika ny KFim sy ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. « Tsy tokony ho maika izany. Loha­ra­non’ny krizy nifandimby teto ny fifidianana ka mila alamintsika aloha izany », hoy izy.

Hitohy hatramin’ny 24 novambra izao ny fahahafahan’ireo olom-pirenena 18 taona no ho mihoatra misoratra anarana ao anaty lisitry ny mpifidy, araka ny fanentanan’ny eo anivon’ny Ceni. Halefa eny anivon’ny fokontany kosa izany ny 9 febroary 2027 izao mba hanamarinan’ny olona ny momba azy na koa ny mety fahadisoana amin’ny tsipelina.

Partager sur: