Diovina ny lakandrano eny Behoririka, izay toerana dibo-drano matetika rehefa fotoanan’ny fahavaratra. Iarahan’ny SMA amin’ny Apipa ny fanatanterahana izany. Hanatsara ny fikorianan’ny rano ary hiantoka ny fahadiovana eny an-toerana ny fahavitan’ny asa. Ireo mpivarotra eny an-toerana koa tokony hanangona hatrany ny fako nialany.
Tsy ankitsitsy fa mandrodana avy hatrany ireo trano sy tsena miorina tsy ara-dalàna eny Behoririka ny kaominin’Antananarivo Renivohitra. Na fananan’ny kaominina aza dia tsy maintsy ravaina ho tombontsoan’ny rehetra, raha ny fanazavana.
Vehivavy mpitarika fikambanana maro sy solontena avy amin’ny faritra no nivory nanomana ny fakan-kevitra nasionaly ho an’ny vehivavy. Eo koa ny ady amin’ny herisetra, amin’ny fanambadian’ny ankizy, tsy fanjarian-tsakafo, ady amin’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra.





