Maty voatsatoky ny barre à mine teo amin’ny fony ny lehilahy iray, teny Ambohimangakely, afakomaly. Latsaka tampoka avy eny ambonin’ny lavaka io vy io ka nitsatoka teo amin’ny fony.
Asa nitera-doza. Lehilahy iray 43 taona, antsoina hoe: Solofo maty voatsatoky ny barre à mine teo amin’ny fony, teny Andafiavaratra, fokontany Ambohidehilahy, kaominina ambanivohitra Ambohimangakely, afakomaly taminy 04 ora sy 40 minitra hariva. Raha ny fanazavana voaray, nangady lavadrano iray teny an-toerana izy sy ny namany iray hafa. Mihady ny lavaka sady mameno ranotany no asan’ity lasibatra ity. Mpisintona tady sady mpanary ny ranotany tafakatra kosa ny lehilahy iray faharoa, niara-niasa taminy. Efa nanomboka hariva ny andro, efa namarana ny asa izy roa lahy. Namonjy hiakatra ety ambony ilay tao anaty lavaka. Nivaha tampoka anefa ny tady namatorana ny barre à mine izay napetraka teny akaikin’ny lavaka nohadiana. Vokany, nitsatoka teo amin’ny fon’ilay lehilahy tany ambany io fitaovana io. Niezaka niakatra ny lavaka ihany ilay lasibatra na dia teo aza ny voina nahazo azy. Tsy tana intsony anefa ny ainy rehefa tafakatra teny ambony izy.
Trobaka ny fony ary very ra be
Taorian’ny tranga, nampandre ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely ny sefo fokontany ao Ambohidehilahy. Nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana avy hatrany izy ireo vantany vao nahazo antso. Tonga teny an-toerana koa ny mpitsabo avy amin’ny CSB II Ambohimangakely. Hita nitsilany telo metatra miala ny lavadrano ilay lehilahy izay efa tsy nisy aina intsony, tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny an-toerana. Feno ra manodidina azy sy teo amin’ny tratrany. Mbola nitsatoka teo amin’ny fony ny barre à mine sy ny tady nihazona izany. Fantatra nandritra ny fizahana nataon’ny manam-pahefana sy ny mpitsabo izay tonga teny an-toerana fa trobaky ny vy tanteraka ny fony ary very ra be izy ka nitarika azy tamin’ny fahafatesana.
Natolotra ny fianankaviana ny razana rehefa vita ny fizahana. Taorian’ny fanadihadiana teny an-toerana, notanana sy natao andrimaso ao amin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambohimangakely ilay lehilahy niara-niasa taminy. Efa misokatra ny fanadihadiana ary hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana.
Mino





