Fotoana iray ahafahan’ny Malagasy mpandraharaha mampahafantatra ny kalitao sy ny mampiavaka ny vokatra eto amintsika ny « Salon international de l’Alimentation » (Sial) 2026. Hanamafy ihany koa ny «made in Madagascar» eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany. «Fanoitra iray hampiroboroboana
ny toekarena malagasy ny Sial, noho izy mampivondrona orinasa maro maneran-tany sy ahafahana mahita lalam-barotra any ivelany», hoy ny filoha lefitry ny Antenimieran’ ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCIFM), Razafindrabe Alain. Tanjona, hoy izy, ny hampiroborobo ny orinasa malagasy sy ny vokatra ataony. Hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny hetsika ireo orinasa miisa 10 misehatra amin’ny lavanila, jirofo, Cacao, tantely, lohamenaka. Hanampy izany
ireo mpandraharaha eo amin’ny jono sy ny fambolena «algues» sns. Mahatratra 120 ireo mpandray anjara amin’ity hetsika atao any Paris-France, ny 17 ka hatramin’ny 21 oktobra ity. Miisa 300 000 kosa ireo mpitsidika andrasana ho avy. Kendrena ny hampitombo ny sandam-bokatra, hanangana fiaraha-miasa ara-barotra sy hanokafana tsena vaovao. Fotoana iray hamantaran’ireo Malagasy mpandraharaha ny fenitra sy ny kalitao takin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Sial 2026. Marihina fa tafakatra 123 351,90 euros ny tohana ataon’ny fanjakana amin’ny alalan’ny tetika Pôles intégrés de croissance (PIC3).
Henintsoa





