Vaovao tambatra

Hanafatra milina mamokatra herinaratra miisa 18 mandeha amin’ny solika, avy any Rosia ny fitondram-panjakana. Antenaina fa anisan’ny hamaha ny olan’ny delestazy eto amintsika ireo milina ireo. Va­haolana tsy ianteherana amin’ny fifampiraharahana amin’ireo orinasa mpamokatra herinaratra tsy miankina ihany koa, sady hamenoana ny banga amin’ny famokarana angovo avy amin’ny masoandro, izay mihena ny vokatra rehefa ratsy ny toetr’andro.

Vita ny asa maika hanarenana ny lalam-pirenena RN7, eo anelanelan’Antsirabe sy Ambositra. Voa­kasik’izany ny eo amin’ny PK 165+950-PK166, Mandi­kana­mana, atsinanan’ny Gara, ny eo amin’ny PK 167_Pk 168, Ambohimena-Mandaniresaka, akaikin’ny Shell-Socolait. Hanamora sy hanafaingana ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra ny fahavitan’ny asa fanarenana fotodrafitrasa toy izao.

Mitondra fampandrosoana ny asa ataon’ny orinasa any amin’ny RN13. Anisan’izany ny fanatsarana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro. Eo koa ny fanarenana ireo lalana tena ratsy amin’ny RN13, eo anelanelan’i Betroka sy Ihosy. Mamatsy vola ny asa ny orinasa QMM any Taolagnaro.

Partager sur: